Dépêches

Loza an-dranomasina : Notanana am-ponja vonjimaika ireo atidoha nikotrika ilay loza tao Ambilobe

Dépêche 18 avril, 11h, Raha tsiahivina dia nisy loza an-dranomasina nahafatesana olona maro tao Ambilobe. Rehefa nokarohina nadritra ny fotoana ela ireo olona roa atidoha nikotrika inyb fiondranana an-tsokosoko ho any Mayotte iny dia tratra ka notanana am-ponja vonjimaika. Fanondranana olona antsokosoko sy famonoana olona no hiampangana azy ireto. Ilay tompon’ilay sambo sy ilay kapitany tamin’izany no izao voarohirohy izao. Ankoatra ireto olona roa ireto dia miisa 15 tamin’ireo mpandeha ihany koa no notanana vonjimaika taorian’ny fanadihadiana. Ny alatsinainy izao no fantatra fa fotoana hitsarana azy ireo ao amin’ny Fitsarana Antsiranana.

Laisser un commentaire