ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Zazalahy miisa dimy nahiditra am-ponja vonjimaika

Zazalahy miisa no nahiditra am-ponja vonji-maika taorian’ny fampanaovana azy ireo teny amin’ny fitsarana, ny herinandro lasa teo. Araka ny voalaza, dia anisan’ny nandray anjara amin’ny fanendahana sy famonoana ireo mpandeha eny amin’ny lalam-baovao ireo zazalahy ireto.

« Efa hiaraha-mahafantatra ny tsy fandriam-pahalemana teny amin’ny lalana rocade, izay vao tsy ela no nisehoana vono olona teny amin’ny lalana teny ka nisy ny fandehanana ifotony, nanaovana fisafoana ka nandritra izany no nahitana azy dimy lahy ireto, sady nirongo hazo sy kibay » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

Tsy nanaiky izany anefa ny fianakavian’ireto farany ka naneho hevitra teny amin’ny fokontanin’izy ireo, teny Ambohimahitsy ny faran’ny herinandro teo.

« Avy nanavotra olona saika niharan’ny vely bois rond ary saika hanenjika ireo olon-dratsy tamin’ireo bois rond no sendra polisy ka noheverin’ireto fa olon-dratsy ka nosamborina avy hatrany » hoy ireo mponina eny amin’ny manodidina.

Ny alahady teo moa no nanao ity hetsika fanehoan-kevitra am-pilaminana ity ireo mpiara-monina teny an-toerana ary mitaky ny hamoahana ireo zazalahy ireo, izay heverin’izy ireo fa tsy meloka velively, araka ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire