ActualitésTatitra

Mozambique : Hisy ny fivoriana hiarahan’ny firenena sy Mayotte ary La Réunion

Hisy ny fivoriana hampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin’ny orinasan’i Mozambique, Mayotte, La Réunion ary France ao Maputo ny 24 sy 25 aprily izao. Tanjon’io fihaonana io ny fampahafantarana ny fahaiza-manao ara-barotr’i Mozambique voambany na tsy raharahiana mihitsy aza raha ny tatitry ny « Chambre de Commerce franco-mozambicaine » izay mikarakara ny fivoriana.

Marihana fa ankoatra ny fitrandrahana entona ataon’ny orinasa Total dia somary mikatona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Mozambique. Te-hisokatra amin’ireo mpampiasa vola samihafa nefa ny firenena hoy ny filoha Filipe Nyusi.

Isan’ny olana sedrain’i Mozambique eo amin’ny sehatra ara-barotra ihany koa raha ny fanazavana ny tsy fananany fifanoizana an’habakabaka mivantana amin’ireo nosy manodidina azy na dia maketo Madagasikara izay eto ankilany eto aza. Marihana ihany koa fa rakotra trosa ny sidina nasionaliny, Linhas Aéreas de Moçambique amin’izao fotoana ka ao anaty lisitra mainty ny fiaramanidiny ary tsy mahazo mamakivaky an’i Europe intsony izy.

Laisser un commentaire