ActualitésTatitra

Trail : Fanatanjahantena atao any anaty natiora

Ny « Trail » na « trail running » na « course nature » dia fanatanjahantena atao any anaty natiora araky ny anarany. Hazakazaka atao amin’ny lalan-davitra izy io, saingy ny mampiavaka azy amin’ny «marathon » dia izy atao any anaty natiora. Misy karazany maro ny toerana afaka anaovana ny «trail ». Misy ny « Trail de montagne, trail en campagne/sur le littoral, trail blanc (anaty ranomandry), trail de désert, trail urbain, trail nocturne » ary « kilomètre vertical » izay natao hiakarana havoana.

Heverina ho fivoarana fahatelo ny hazakazaka aorian’ny « jogging » sy ny « marathon » kosa ny Trail. Tao anatin’ny taona vitsivitsy dia nitombo ny lazan’io fanatanjahantena io tao Amérique du Nord, Europe ary Japon. Tao Etats-Unis kosa dia efa manodidina ny 4,5 hatramin’ny 6 tapitrisa ny mpanao azy teo anelanelan’ny taona 2006 sy 2012.

Laisser un commentaire