Anosy avaratra: Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana ireo vehivavy
Ny talata 11 sy ny alarobia 12 aprily teo no nanatontosan’ny fikambanana Miotisoa ny fampiofanana izay ataon’izy ireo manerana ireo kaominina ato anatin’ny distrika Avardrano. Navitrika ary afa-po ireo vehivavy nisitraka ny fiofanana teny an-toerana nandritra izany, araka ny voalaza.
» Rehefa avy niato kely nandritra fankalazana ny fetin’ny paska ny fikambanana dia nitohy avy hatrany ny fanomezana fiofanana maimaim-poana ho an’ny teto Anosy avaratra. Tahaka ireo kaominina efa nanaovana ny fiofanana teo aloha dia afa-po ny mpiofana ary tafita ny hafatra nampitain’ny mpampiofana » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
» Tena nilaina be ny fanatrehana ny fiofanana satria nanampy, nahazoana traikefa vaovao eo amin’ny fanamboarana mofo. Hisaorana ireo mpampiofana sy tomponandraikitra nahafoy andro sy fotoana nanomezana izany » hoy i Dina, mpiofana.
« Manaova ny tsara mba hioty soa » izay moa no teny filamatra entin’ity fikambanana iray ity, izaho mifototra tokoa amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Mitohy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry indray moa ity fiofanana atolotr’ity fikambanana, izay tontosaina omaly sy anio zoma.
Manitra R.
