ActualitésTatitra

Basket-ball à trois : Taranja « urbaine » malaza vaovao

Ny « Basket-ball à trois » antsoina ihany koa hoe basket 3×3 na 3×3 fotsiny dia karazana basket taranja olaimpika. Ekipa roa misy mpilalao telo avy mpiampy mpisolo toerana iray avy no milalao azy izay mifanandrina eo amin’ny antsasana kianja. Nanomboka ny taona 2020 io lalao io no tafiditra tao amin’ny lalao olaimpika raha efa ny taona 2010 izy no nandraman’ny « Comité international olympique » tamin’ny « Jeux olympiques de la jeunesse d’été » tao Singapour.

Araky ny fitsipika fototr’ity lalao ity dia isa 21 no enjehina mba handresena ny fifaninanana na mila maazo isa ambony mihoatra ny mpifaninana amin’ny faran’ny fe-potoana 10 minitra. Toy ny amin’ny basket mahazatra kosa dia misy ny isa 1, 2 ary 3. Ny fitsipik’ity lalao ity nefa dia manakaiky indrindra ny « streetball » na « basket-ball de rue » kokoa noho ny amin’ny basket mahazatra.

Laisser un commentaire