ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Nisy ny fizarana fanomezana ho an’ny mpianatra

Nisy ny hetsika fizarana fanomezana ho an’ny ankizy mpianatra tao amin’ny kaominina Ambohimanga rova ny faran’ny herinandro teo. Fikambanana iray ao an-toerana no nanolotra izany ho an’ireo mpianatra sy ho fanohanana azy ireo, araka ny voalaza.

« Anisan’ny ezaka ataon’ny fikambanana hatrany ny hanohana sy hanampy ny mpiara-belona, indrindra ny ato amin’ny kaominina Ambohimanga rova. Zava-dehibe tokoa ary adidy eo amin’ny mpiray tanindrazana ny fifanampiana sy ny fifanohanana » hoy ny avy amin’ny TAK.

« Mankasitraka ny fikambanana nanao ny tetik’asa ho fanohanana ny ankizy eto an-toerana ary hisaorana ireo tomponandraikitra tsy nanadino azy. Tena faly tokoa ny ankizy nahazo fanomezana » hoy i Hasina, mponina ao Ambohimanga rova.

Vory maro tokoa ireo mponina teny an-toerana nandritra ity fotoana iray ity. Izao hetsika izao moa dia tafiditra ao anatin’ny tetik’asa Ankizy Krismasy, izay sahanin’ny avy ao amin’ny TAK.

Manitra R.

Laisser un commentaire