Avaradrano : Hanolotra fampiofanana maimaimpoana isaky ny kaominina ny fikambanana Miotisoa
Hanolotra fampiofanana manerana ireo kaominina mandrafitra ny distrika an’Avaradrano ny fikambanana Miotisoa. Fampiofanana fanamboarana mofo, ho an’ireo vehivavy, manandritra ny roa volana no ataon’izy ireo, raha ny voalaza.
« Manomboka ny 03 aprily izao, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no hisantarana ny fampiofanana, hitohy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana kosa izany ny 06-07 aprily, kaominina Anosy Avaratra ny 11-12 aprily, ny kaominina Talata volonondry ny 13-14, ny kaominina Ambohimanga rova ny 15 sy 16, ny kaominina Ambohitrabiby ny 17 sy 18 aprily, eny amin’ny kaominina Alasora kosa ny 19 sy 20 aprily , ny kaominina Ambohimalaza ny 24 sy 25 ary ny kaominina Masindray ny 26 sy ny 27 aprily » hoy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana.
« Ho an’ny volana may kosa dia hisantatra ny fiofanana ny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny 02 sy 03 may, kaominina Vilihazo 08-09 may, kaominina Fieferana 10-11, kaominina Anjeva 15-16, ny kaominina Ankadinandriana 24-25 ary ny kaominina Ambohimangakely ny 30 sy 31 may » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny ezaka ataon’ny fikambanana entina hanampiana ny mpiara-belona moa izao hetsika izao. Marihina fa misy ny fisoratrana anarana mialoha izay atao ho an’ireo izay liana sy maniry hanatrika izany fampiofanana izany.
Manitra R.
