Alasora : Mizotra araka ny niheverana azy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana
Efa manomboka amin’izao fotoana izao ny fampianarana maimaimpoana izay natolotry ny kaominina Alasora ho an’ireo ankizy, mpianatra, hiatrika ny fanadinam-panjakana ho amin’ity taona 2023 ity, ao an-toerana. Ny mpianatra hanala ny fanadinana BEPC no efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo raha mbola mitohy kosa ny fisoratrana anarana ho an’ireo mpanala ny bakalorea, araka ny voalaza.
« Mizotra araka ny niheverana azy ny fanomanana ny fanadinana BEPC 2023 izay karakarain’ny kaominina. 450 isa no misitraka izany ankehitriny. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra hanala ny fanadinana bakaloera 2023 » hoy ny tompon’andraikitra.
« Fotoana fanararaotana ho an’ny mpianatra ny fanomezana fampianarana maimaim-poana tahaka izao. Anisan’ny manampy ny mpianatra na eo amin’ny fanaovana fampiasana sy ny fomba fiatrehana ny fanadinana, fa indrindra ny fanomezana ireo teknika entina mamaly ny laza adina ny toa izao ka tsy tokony ho kamo ireo mpianatra manatrika izany » hoy i Heritiana, mpampianatra.
Entina hanatsarana ny voka-panadinana amin’ity taona ity moa no tanjon’ny kaominina amin’izao fanomezana fampianarana maimaim-poana izao. Ary mpampianatra efa za-draharaha sy matihanina ary manana traik’efa amin’ny fampianarana no mandray ireo mpianatra ao anati’izany.
Manitra R.
