Herisetra ara-nofo: Manatanteraka iraka hiarovana ny vehivavy any amin’ny faritra atsimo ny UNFPA
Any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny UNFPA amin’izao fotoana izao manatanteraka iraka ho an’ny mponina. Fizaham-pahasalamana ho an’ny vehivavy izay niharan’ny herisetra ara-nofo any amin’iny faritra iny no tena anton’asan’izy ireo any. Maherin’ny 15% amin’ireo vehivavy any an-toerana no hianjadian’izany herisetra ara-nofo sy ara-tsaina izany amin’izao fotoana izao.
“Nanaitra sady nampalahelo anay ny tranga toy izany. Ireo vehivavy marefo sy ireo tanora no tena iharan’izany herisetra izany izay 39% izany ao Anosy ary 27% kosa any Androy. Fizaham-pahasalamana sy fandraisana an-tanana ireo tratran’izany herisetra izany no hataoany aty na-toerana. Efa any an-toerana amin’izao fotoana izao ny Clinique mobile manatanteraka ny iraka”, hoy ny avy ao amin’ny UNFPA eto Madagasikara.
“Ankoatra ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia saika ahitana izany herisetra izany avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy. Ilaina hampiroboroboana ny erasera manodidina izany satria mbola maro ireo minia tsy mahalala ny lalàna mifandray amin’izany. “Azo atao ny mamerina mampahafantatra izany zava-misy izany indray amin’ny alalan’ny teny tsotra. Matetika tokoa mantsy dia zary ampitahoriana hatrany ireo mpanao herisetra ka tsy miantraika aminy ny teny fa tokony ovaina indray ny paik’ady. Ansian’ny azo atao ihany koa ny mifandresy lahatra amin’ny samy lehilahy sao izany no hahatonga saina”, hoy ity mpitantana fikambanana miaro ny zon’ny vehivavy iray tamin’ny toro-hevitra natolony.
Araka izany dia ilaina ihany koa ny fanaparitahana ity hetsika ity manerana ny Nosy hahafahan’ny rehetra misitraka ny soa amin’izany. Indrindra ireo izay matahotra na menatra manatona mpitsabo amin’izany olana mianjady aminy izany.
Miora Raharisolo
