Etats-Unis : Tovovavy kely iray nisy naka an-keriny no avotra noho ny iPad-ny
Mety manavotra tokoa ny teknolojia. Tovovavy kely 11 taona no tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo tao Pennsylvanie. Niala tao an-tranon’ny renibeny ho any amin’ny tranon’ny zokiny vavy tao Pittsburgh izy tamin’io andro io. Nandeha bisikileta nefa ilay zazavavy kely ka manodidina ny 4 ora eo ny faharetan’ny fiazoana ny toerana.
Tsy tonga tany amin’ny tranon’ilay zokiny ilay zazavavy raha ny fanazavana. Manoloana izany dia niantso ny manam-pahefana ny renibeny ary natomboka ny fikarohana. Hita teo akaiky ny tobin-tsolika iray ny bisikiletan’ilay zazavavy ary ren’ireo alika « pisteur » manodidina ny toerana ny ny fofon’ilay zazavavy kely.
Fantatra nefa taorian’izany fa nitondra iPad ity farany ka tamin’ny alalan’ny « géolocalisation » an’izany no nikarohana azy. Hita tao anaty trano iray tsy lavitr’i Latrobe ilay zazavavy. Lehilahy iray atao hoe Keith Lilliock, 43 taona no tompon’izany raha ny fantatra. Teo amin’ilay tobin-tsolika izy no nandrebireby ilay zazavavy ary nitondra azy tao amin’io trano io. Ahiana nikasa nanao herisetra ara-nofo tamin’ilay zazavavy ny tenany saingy efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana.
