Filatex : Orinasa mamokatra asa sy manohana ny fampandrosoana
Iza eto Madagasikara no tsy mbola mahafantatra izany orinasa lehibe Filatex izany ? Orinasa anisan’ny sangany eto Madagasikara amin’ireo orinasa afakaba ary manosika sy manome sehatra ho an’ny tanora indrindra indrindra amin’ny fananan’asa. Tanjon’ity orinasa ity ihany koa ny handray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny firenena ary hampiakatra ny toe-karen’i Madagasikara.
« Raha eo amin’ny lafin’ny fampiroboroboana ny orinasa afakaba ny groupe Filatex amin’izao fotoana izao, dia anisan’ny vinan’ny orinasa ny mba ho tafiditra anatin’ireo mendrika indrindra eto Afrika. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 160.000 metatra tora-droa ny velara-tany hiseharan’ny orinasa ary mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ara-ekonomika eto Madagasikara ny orinasa Filatex » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny filatex.
Ao anatin’izany fampandrosoana ara-ekonomika izay moa, mandray anjara amin’ny famoronana asa ny orinasa Filatex ary manome vahana ny fanondranana vokatra, ny famokarana angovo ary ny resaka fampandrosoana amin’ireo foto-drafitr’asa.
