Ankadikely Ilafy : Miezaka mametraka fandriampahalemana ny polisy kaominaly
Miezaka mametraka ny fandriam-pahalemana ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny polisy kaominaly sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Misy ny fandehanana isam-pokontany sy ny fanaovana fisafoana izay tanterahina andro aman’alina, mandritra izany.
« Fokontany maro no nanaovana izany fidinana ifotony izany ny herinandro teo, anisan’izany ny fokontany Manjaka. Mbola hitohy ny hetsika ka isaorana ny zandarimariam-pirenena avy eo amin’ny « GSIS » nanome tanana, ny polisim-pirenena ary ireo polisy kaominaly sy ny Quartier mobile noho izao hetsika izao » hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Manomboka hariva, rehefa hadiva ho maizina iny, miakatra ny fofona zava-mahadomelina amin’ny elakelan-trano, ny asa fanendahana sy ny hala-botry amin’ny andro atonadro tsy lazaina intsony. Hiangaviana ny tomponandraikitra mba tsy handalo sy kitaitaitra fotsiny ny hetsika tahaka izao satria mihatra amin’ny ain’ny mponina ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao » hoy i Solo, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina AnkadikelY Ilafy. Saika naneho hevitra sy nitaraina mahakasika izany avokoa ireo avy amin’ny isam-pokotany ao an-toerana. Miandry ny hitohizan’ny hetsika sy ny fanamafisana izany araka izany ny vahoaka.
Manitra R.
