ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manome fampitandremana ho an’ireo fiara mpitatitra tsy manara-dalàna ny kaominina

Mitohy hatrany ny fandraisana fitarainana sy fanasaziana ireo fiara tsy manara-dalàna ao anatin’ny zotra E izay mampitohy an’ny kaominina Ambohimangakely amin’ny renivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao. Manome fampitandremana ary tsy handefitra manoloana tsy rariny asehon’ireo mpitatitra intsony ireo tomponandraikitra, araka ny voalaza.

« Mitohy ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fanatsarana ny zotra miasa ato anatin’ny fari-piadidiana ato an-toerana. Manomboka izao, tsy handefitra intsony ny tomponandraikitra ary hampihatra ny sazy ho an’ireo izay tratra manao fadinkan-dalàna » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

« Ilaina mihitsy ny fandraisana fanapahan-kevitra entitra tahaka izay fa efa tena ela loatra no nanjakan’ny gaboraraka sy ny fizahozahoana eo amin’ireo mpitatitra eto an-toerana. Mila faizina sy fehezina ambany lalàna mba ho fifanajana eo amin’ny rehetra » hoy i Prisca, mpampiasa ny zotra.

Marihina moa fa ny faran’ny herinandro teo, fiara mpitatitra iray no tratra tamin’izany tsy fanarahan-dalàna, tamin’ny fandoavana « droit de stationnement » ; ankoatra izay ny faniratsirana ireo mpitandro filaminana manao ny asany ary ny fampidinana olona antenantenan-dalana.

Manitra R.

Laisser un commentaire