ActualitésTatitra

Allemagne : Tovovavy 12 sy 13 taona no niaiky fa namono ny namany

Tovovavy iray 12 taona no tsy nody tao an-tranony ny 11 martsa teo. Manoloana izany dia niantso ny manam-pahefana ny ray aman-dreniny. Ny ampitson’io ihany dia hita faty ilay tovovavy. Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia tovovavy roa 12 sy 13 taona izay naman’ilay tovovavy namoy ny ainy ihany no voarohirohy amin’ny raharaha.

Nanazava ny mpampanoa lalana tao Coblence, Mario Mannweiler fa maty notsatohan’antsy ilay tovovavy. « Maty noho ny fahaverezan-dra be loatra noho ny tsatok’antsy maro ilay zazavavy» hoy izy. Nilaza kosa ny tompon’andraikitry ny polisy tao an-toerana, Florian Locker fa niaiky heloka izy mirahavavy nahavanon-doza ireo. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny anton’io vono olona io.

Laisser un commentaire