Actualités

Basket U19: Ao anatin’ny vondrona B no misy ny Ankoay amin’ny amboara eran-tany

Tao Debrecen no nanatanterahana ny fizarana ho vondrona ireo ekipa handray anjara amin’ny
amboara eran-tany amin’ny lalao Basket latsaky ny 19 taona. Handray anjara amin’izany moa ny
Ankoay U19 ka voafaritra fa aoa anatin’ny vondrona B no hivoaran’izy ireo miaraka amin’ny Etats-
Unis, Liban ary Slovénie. Azo lazaina ho ekipa mafy toto avokoa ireo miray vondrona ireo izay mil any
ezaka hatyramin’ny 200% amin’ireo ekipa Malagasy.

“Lalao voalohany hataon’ny Ankoay ity ary na dia hita aza fa mafy ireo mpiray vondrona ireo dia tsy
milavo izany ireto ekipantsika ireto satria hiaro ny voninahi-pirenena. Efa ampy traikefa rahateo
ihany koa ireto Ankoay ireto ka tsy misy hatahorana ny mahakasika ny lalao. Na izany aza dia mila
miomana ara-batana sy ara-tsaina mafy dia mafy ireo ekipa ireo fa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny
avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Basket Ball.

“Mbola sarotra ny lalana fa ny traikefa halaina aloha, efa zava-dehibe izany. Nefa ihany koa tsy misy
resy tsy miady izany fa manohana anareo foana izahay. Azoko lazaina ho “fierté” io lalao amin’ireo
vondrona ireo io satria efa lehibe ireo mpifaninana amiko raha izaho no mpilalao. Ataovy ambony
foana ny moral”, hoy ireo mpankafy Basket.

Any Debrecen Hongrie indray araka izany ny fo sy ny sain’ny Malagasy rehetra ny 24 jona
hatramin’ny 4 jolay ho avy izao. Ho fanomanana ireo lalao ireo dia efa nisy ny fampivondronana ny
volana desambra teo ary hisy fizarana roa samihafa ihany koa ho an’ireo ekipa izay hatao any Egypte
sy France. Alefa foana Ankoay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire