ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Tontosa ny varavarana misokatra mahakasika ny hetra

Nandeha teny ifotony, nanantona ny vahoaka ary nanolotra varavarana misokatra nitondrana fanazavana mahakasika ny hetra, ny avy amin’ny Ivon- ketra Avaradrano A, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Afaka nifampizara sy nifampiresaka mivantana tamin’ny mponina manodidina hetra izy ireo nandritra izany, raha ny voalaza.

« Nisy ny fampahafantarana ny fiovana raiketin’ny LFI 2023 mahakasika ny rafitra arahina momba ny fandoavan-ketra CPF sy ny lalàna mifehy ny hetra (codes des impôts) CDI » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.

« Nandritra ny varavarana misokatra tao ihany koa ny famaliana ireo fanontaniana mahakasika ny hetra. Tanjona tamin’ny hetsika ny fanatsarana ny fidiram-bola eo anivon’ny kaominina sy ny fanjakana foibe » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe ny fanentanana ny mponina sy ny fampahafantarana ny mahakasika ny tontolon’ny hetra tahaka izao. Nitarika ny hetsika tao an-toerana moa ny tale misahana ny ivon-ketra, narahin’ireo mpiara-miasa aminy ary ireo solon-tena avy amin’ny kaominina avy ao amin’ny distrikan’Avaradrano.

Manitra R.

Laisser un commentaire