ActualitésTsidika

Asa tanana : Hizarana karatra maha-matihanina ireo mpisehatra Malagasy

Tafiditra ao anatin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra aoa anatin’ny asa Tanana ity fizarana karatra maha-matihanina azy ireo ity. Ny tanjona amin’izany dia ny ahafahana mampiroborobo sy manaraka ny fepetra takian’ny kalitao iraisam-pirenena sy ahafahana mampisitraka ireo tombony rehetra ho an’ireo mpisehatra manara-dalàna.

« Ity karatra ity dia hahafahan’ny mpanao asa tanana mahazo tombontsoa avy amin’ny fanodavany ny hetra, toy ny fampiofanana sy ny fanohanana ara-teknika. Miisa 164 amin’izao ireo sehatra hiasan’ireo mpanao asa tanana ary mbola azo atao ny mampitombo izany fa mila mahay mikaroka sy mamorona hatrany ny saina », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa-tanana sy ny hai-tao.

« Tombony ho anay mpanao asa tanana izany. Mety hahazo fampiofanana fampiakarana traikefa sy fahaiza-manao amin’izay. Ho sarona ireo tsy manara-dalàna sy mpanao zavatra ratsy. Tokony hivelatra amin’izay ihany koa ny tsena indrindra fa ny tsena anatiny », hoy i Voahangy, mpanao asa tanana vita amin’ny taolana.

Hisy ny fiaraha-miasan’ny Fihariana sy ny Ministera ary ny banky BNI ka ao anatin’izany dia ireo manana ny karatra maha-matihanina ihany no hisitraka izany izay hatomboka eto Antananarivo, Sainte Marie ary Nosy Be izany. Tokony jerena ihany koa ny fampiroboroboana ny varotra anatiny satria mbola anisan’ny olana hafa ihany koa izany amin’ity sehatra ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire