Alasora: Nisy ny andrana ara-teknika ny « train urbain » teny Ankadindratombo
Nisy ny fitsirihana sy andrana ara-teknika ny tetik’asa train urbain, teny amin’ny faritra Ankadindratombo teny, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Efa mandeha ny asa, ary ho avy tsy ho ela ny fahavitan’izany, raha ny voalaza.
« Tsy hono hono intsony fa ho vita tsy ho ela ny tetik’asa train urbain, izay efa nampanantenaina tamin’ny vahoaka fotoana ela izay. Efa mandeha ny asa ary efa manao ny ezaka avokoa ireo tomponandraikitra amin’ny fampandehanana izany » hoy ireo avy amin’ny orinasa miandraikitra ny fanamboarana.
« Efa ela niandrasana ny fiverenan’ny lamasinina mihitsy ny mponina ary mino ihany koa fa anisan’ny vahaolana hanena ny tohamboivoy eto an-drenivohitra ny fisian’izy io. Mba hanome endrika vaovao an’ny renivohitra ihany koa » hoy i Lova, mponina ao Alasora.
Amin’ny volana Aogositra moa no vinavinaina ho vita ny dingana voalohany amin’ity tetik’asa ity, izay hampitohy an’Amoronakona sy ny gara ao Soarano. Mandeha miandalana kosa amin’izao fotoana ny fanavaozana ao amin’ny gara Ambohimanambola, hatrany Anjeva.
Manitra R.
