ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny hetsika ara-kolontsaina enti-miady amin’ny herisetra

Nisy ny hetsika ara-kolontsaina enti-miady amin’ny herisetra, nitondra ny anarana « Volagno moramora » izay notanterahan’ny fikambanana misehatra amin’ny ady amin’ny herisetra, Nifin’Akanga sy ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Fanentanana sy fampahafantarana ny mponina mahakasika ireo loha-hevitra telo no natao nandritra izany.

« Vologno moramora dia hetsika iray nataon’ny fikambanana ho an’ny mponina teto Ambohimanambola. Nentina nanentana sy nampahafantatra ny mponina ny loha-hevitra manodidina ny fanolanana, ny fanolanana ataon’olo-pady ary ny fampitsaharana vohoka nohon’ny antony ara-pahasalamana » hoy ny avy amin’ny fikambanana.

« Maro ireo olona na lahy na vavy no hiaran’ny herisetra, fanolanana, maro ihany koa ny sedra hiainan’izy ireo izay tsy azo ekena velively, ka nahatonga ny fampahafantarana ny tokony hatao sy ny aleha raha sanatria misy izany tranga izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Sahia mitoroka, sahia miteny ; izay no teny filamatry ny fikambanana ity, izay miezaka mampahafantatra izany manerana ny nosy. Ity hetsika ity izay nahaliana olona maro, indrindra ny tanora tao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire