ActualitésTsidika

Manandriana : Maro ireo lalana dibo-drano rehefa fotoanan’ny orana

Anisan’ny mampitaraina ny mponina ao amin’ny kaominina Manandriana, indrindra ny ao amin’ny fokontany Ambatomandodonana, ny faharatsian’ny lalana rehefa fotoanan’ny orana tahaka izao, ao an-toerana. Dibo-drano ireo lalana ao an-toerana ka manano sarotra ny mponina ny fampiasana ny lalana, raha ny voalaza.

« Mila jeren’ny kaominina sy ireo tomponandraikitra ny mahakasina ny lalana ato amin’ny kaominina Manandriana. Tsy ny ao amin’io fokontany io ihany no ahitana fahasimbana fa maro ireo lalana ao an-toerana tena efa ratsy tanteraka ary mila fanamboarana sy ny fijerena akaiky » hoy i Ndriana, mponina ao Manandriana.

« Anisan’ny tena olana mahatonga ireo lalana dibo-drano eto an-toerana io ny fahatsetsenan’ny lalan-drano, izay fivarinan’ny riaka hatramin’izay. Samy tomponandraikitra avokoa ny rehetra manoloana ny fahavoazana tahaka izao, ary ny rehetra no miaina anatin’ilay izy ka amin’ny sisa mila jerena ireo toerana hanorenana sy ny fiantraikan’izany amin’ny manodidina » hoy i Rova, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Tomponandraikitra avokoa ny tsirairay manoloana ny zava-misy tahaka izao. Miainga any amin’ireo tomponandraikira mankaty amin’ny mponina, azo atao ny miara-mientana mba hananana foto-drafitr’asa maharitra sy mamaly ny tombotsoa iombonana.

Manitra R.

Laisser un commentaire