Turquie : Mbola mitohy ny fikarohana taorian’ireo horohoron-tany roa hafa
Mbola tsy sarona akory ny takaitra navelan’ny horohorontany niseho tao Turquie sy Syrie ny 6 febroary teo dia efa horohorontany roa samihafa indray no namely ireo firenena roa ireo ny alin’ny alatsinainy 20 febroary teo. Tao avaratr’i Syrie sy tao amin’ny faritr’i Hatay tao Turquie no voakasik’izany.
Manodidina ny 8 ora alina tao an-toerana ny horohorontany voalohany, tamin’ny maridrefy 6,4 ary tao Defne, distrikan’i Antakya no ivony. Telo minitra taorian’io horohorontany voalohany io kosa no niseho ny faharoa, tamin’ny maridrefy 5,8 tao Samandag, tanàna amorontsirak’atsimo ny firenena. Raha ny tatitry ny minisitry ny atitany tao Turquie, Suleyman Soylu kosa dia olona 3 eo no lavo nandritra ireo horohorontany ireo ary 213 isa no naratra. Ho an’i Syrie kosa dia 47 no fantatra fa naratra hatreto.
