Fampianarana : Mpianatra miisa 14 000 ao amin’ny faritra Atsimo hisitraka fampianarana amin’ny alalan’ny nomerika
Mpianatra misia 14 000 avy amin’ny Sekoly miisa 15 eo ho eo ao amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia i Anosy, Atsimo Andrefana ary Boeny no hisitraka fampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia na ny « appresntissage numérique ». Izany no natao dia mba ahafahana manome fahalalana bebe kokoa ireo mpianatra am-pitain-davitra, hialana amin’ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.
« Hetsika izay mikendry ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny fampitan-davitra. Manamora ny fidirana amin’ny fianarana nomerika ho an’ny mpianatra any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Boeny izay tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao ity natao ity », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
« Hahazo “connexion internet” izy ireo izay hahatonga azy ireo hahazo votoatim-pampianarana mora idirana sy hampiroborobo ny fidirana amin’ny fanabeazana nomerika. Hotohanana ihany koa izy ireo amin’ny endrika maro samihafa toy ny fanomezana alalana maimaim-poana azy ireo amin’ny tranokalam-pampianarana », hoy kosa ny avy ao amin’ny UNICEF, mpiara-manatanteraka ny tetik’asa.
Tsara ny manamarika fa fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny UNICEF ary nyv orinasa Airtel izao tetik’asa izao. Hiitatra hatramin’ny 5 taona ny tetik’asa ka hisitraka izany avokoa ireo mpisehatra rehetra, to any mpampianatra, ny mpianatra ary ireo Ray aman-dReny sy tanora. Nomerika eto Madagasikara efa tsy afaka hialana intsony noho izy tena efa miroborobo ka rariny raha hampidirana izany avokoa ny toerana rehetra eto Madagasikara.
Miora Raharisolo
