ActualitésTatitra

La Réunion : Miverina misokatra ny sidina ao amin’ny Air Austral

Rehefa nidina ny saina volomboasary tao La Réunion manoloana ny rivodoza Freddy dia niverina nisokatra indray ny Air Austral nanomboka omaly 21 febroary. Raha tsy misy ny fiovana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia hiverina araky ny tokony ho izy ny fandaharan’ny sidina manomboka androany 22 febraory.

Manoloana ny mety ho toetry ny andro eto Madagasikara kosa dia nahemotra ny 23 febroary izao amin’ny 8 ora maraina eto an-toerana ny sidina UU555 mampitohy an’i La Réunion sy Tamatave tokony natao omaly talata tamin’ny 3 ora sy 5 minitra. Nahemotra amin’ny 23 febraory ihany koa amin’ny 10 ora latsaka fefany ihany koa sidina UU556.

Laisser un commentaire