ActualitésTatitra

Mayotte : Tafapetraka ilay toeram-panampiana ireo olona manana fahasembanana

Ny APAJH no fikambanana tokana nandinika sy nanohana ireo karazana fahasembanana rehetra tao France. Manoloana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasembanana ny 11 febroary teo dia nanao fanentanana ny mponina tao Mayotte tamin’ny alalan’ny fametrahana toeram-panampiana ireo sokajin’olona ireo io fikambanana io.

« Plateforme d’entraide pour l’autonomie » na PEA no hiantsoana izany toerana izany, izay tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Olona efatra kosa no efa afaka mamaly ny filàn’ireo manana fahasembanana na akaiky azy ireny ao amin’io toerana vaovao io. Marihina kosa fa maro ireo niara niasa tamin’ny APAJH tamin’io tetik’asa io toy ny MDPH (Maison départementale des personnes handicapées de Mayotte) sy ny FMAPAR (Fédération mahoraise des Associations des personnes âgées et des retraités).

Laisser un commentaire