ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana tao amin’ny kaominina

Ny 15 febroary teo no nanatontosana ny lanonana ara-pomba ofisialy, namoahana sy nizarana ny mari-pankasitrahana ireo mpiofana rehetra nanaraka ny fiofanana tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Niarahana nanatontosa nandritra izany famoahana ofisialy izany avokoa na ny teo amin’ny taranja fianarana zaitra, ny taranja informatika ary ny mahakasika ny fambolena ary ny fianarana mofomamy, raha ny voalaza.

« Amin’ny famaranana ny fiofanana sy famoahana ireo mpiofana tahaka izao dia tsy hay ny tsy hisaotra ireo tompon’andraikitra avy amin’ny ministera sy ny mpiara-miasa rehetra, indrindra cfpf Antsofonondry naira-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ireo fiofanana ireo » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimanambola.

« Na dia tao anatin’ny fotoana fohy monja aza no nianatra dia maro be ireo fahalalana voaray nandritra ny fiofanana. Tena mahafinaritra satria ny fifampizarana traikefa dia tena nanampy ary nahaizana zavatra maro » hoy i Felana, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina moa fa nahatratra hatramin’ny 114 isa ireo nanaraka ny fiofanana, izay maimaim-poana natolotry ny kaominina tao an-toerana ity. Miandry ny andiany manaraka amin’izany fiofanana izany kosa ireo tara fisoratana anarana amin’ny fiofanana ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire