ActualitésTatitra

Comores : Tafiditra ho mpikamban’ny MAEP ny nosy

Nanao sonia ny « Mémorandum d’entente » fidiran’i Comores ao amin’ny MAEP (Mécanisme africain d’évaluation par les pairs) ny filohan’ny nosy Azali Assoumani ny 9 febroary teo. Fifanarahana izay manamaivana ny asa eo anivon’ny departemanta politika sy lalàna ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ao an-toerana.

 Nanatrika io fanaovan-tsonia io ny praiminisitr’i Comores, Bianrifi Tarmidi niaraka ny tompon’andraikitry ny MAEP sy tompon’andraikim-panjakana samihafa avy ao Niger sy Sierra Leone. Vonona ny manam-pahefan’i Comores hiaraka amin’ny Union Africaine amin’ny fametrahana fitondrana tsara tantana sy amin’ny fampivelarana ny fandrosoana ara-ekonomika sy ara-tsosialy aty Afrique hoy i Bianrifi Tarmidi.

Marihana fa efa nandalo dingana maro i Comores vao tafiditra tao amin’ny MAEP. Efa tamin’ny fiandohan’ny taona 2022 izy ireo no nangataka izany.

Laisser un commentaire