ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no nikasa nidaroka ny mpisolovava azy nandritra ny fitsarana azy

Niatrika ny fitsarana tao Etats-Unis ny fiandohan’ny herinandro teo i Taylor Schabusiness, 25 taona. Raha tsiahivina dia namono sy nandrasarasa olotiany izy. Tamin’ny 23 febroary 2022 tao amin’ny tranony tao Green Bay, Winsonsin no niseho ny tranga. Teo ampiraisana ara-nofo i Taylor Schabusiness sy ny olotiany Shad Thyrion, 25 taona no nokendain’ilay vehivavy tamin’ny rojo vy izy.

Rehefa nivoaka rà ny vavan’i Shad Thyrion ary nivalo-mainty endriny dia mbola notohizan’i Taylor Schabusiness ihany ny fanendàna azy. Manoloana izany dia namoy ny ainy ilay lehilahy ka norasarasain’ilay vehivavy. Rehefa tonga tao an-toerana ny manam-pahefana dia hita anaty seau ny ampahan’ny vatan’i Shad Thyrion, tao ambany rihan’ny trano sy tao anaty fiara kosa ny ampahany hafa toy ny filahiany, tratrany ary tongony.

Nandritra ny fitsarana an’i Taylor Schabusiness kosa dia tezitra ary nikasa nidaroka ny mpisolovava azy. Nisy rojo vy moa ny tanany ka voafehin’ireo tompon’andraikitra izy. Manoloana ny tranga kosa dia hahemotra amin’ny 15 may ny fitsarana an’i Taylor Schabusiness.

Laisser un commentaire