Kolontsaina : Any Toamasina no hanatanterahana ny Mihamy Mada Fashion andiany faha-efatra
Dépêche 16 février, 14h30, Hotanterahina any Toamasina ny 6, 7, ary 8 aprily ho avy izao ny andiany fahaefatra amin’ny Mihamy Mada Fashion. Raha tsiahivina dia hetsika ara-kolontsaina iray natao hampirantiana sy hampiroboroboana ny tontolon’ny lamaody ity hetsika ity, fotoana iray ihany koa hanentanana ny olona ho tia sy hankafy ny vita Malagasy. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry handray anjara amin’izany eny anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
