ActualitésTatitra

Nouvelle-Zélande : Olona telo no maty vokatr’ilay rivo-doza Gabrielle

Olona telo no maty vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Gabrielle tao Nouvelle-Zélande ny alin’ny alatsinainy 13 febroary hatramin’ny 14 febroary teo. Tao amin’ny faritra avatry ny nosy no tena vokasik’io loza voajanahary io raha ny fanazavan’ny manam-pahefana. Nanamafy izy ireo fa olona telo no lavo nandritra izany.

Tao amin’ny West Auckland no nahitana ny razana voalohany raha tao amin’ny faritr’i Hawke’s Bay kosa no nahitana ireo roa hafa raha ny tatitry ny minisitry ny fitantanana ny raharaha vonjimaika tao an-toerana, Kieran McAnulty. Olona 10 500 isa kosa no voatery nafindra toerana vokatry ny rivodoza ary fonenana 140 000 isa no tsy afaka misitraka herinaratra.

Nilaza kosa ny praiminisitra, Chris Hipkins fa io loza voajanahary io no isany goavana indrindra nisahana ny toetry ny andro tao amin’ny nosy hatramin’ny taonjato maro.

Laisser un commentaire