Salon BIOFACH : Mandray anjara amin’ny fampirantiana ny vokatra vita malagasy
Dépêche 15 février, 13h, Any Allemagne non hanatanterahana ny Salon BIOFACH amin’ity taona 2023 ity. Manana solontena aminizany i Madagsikara izay tarihan’ny Ministeran’ny Fiompiana sy ny Fambolena. Ireo vokatra « bio » no haparitaka mandritra izany fotoana izany ka maro ireo vokatra vita malagasy hampirantiana any an-toerana. Ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity moa dia mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fahampiana ara-tsakafo. Eo amin’ny « stand » 3A-206 Madagascar Truly Authentic no misy ny mpampiranty Malagasy mandritra izany salon izany ho an’ireo izay mpitsidika.
