ActualitésTatitra

La Réunion : Miatrika fifaninanana tsy ara-drariny ny varotra lavanila ao amin’ny nosy

Toy ny mahazatratra dia mpifaninana eo amin’ny sehatra ara-barotra ny vokatra lavanila ao amin’ny nosy La Réunion sy eto Madagasikara. Raha ny fanazavana nefa dia tsy mifandanja ny eo amin’ny vidin’izany. Araka ny loharanom-baovao dia 1 na 2 euros ny amarotan’ireo mpivarotra malagasy ny singany iray ny lavanila raha 233 euros isaky ny kilao ny « cours mondiaux » napetraka amin’izany.

Tranonkala samihafa no ahitana ireo mpivarotra lavanila eto Madagasikara ireo ary ny ankahamaroany dia tsy ara-dalana avokoa noho ny fitsoahana ny fandohavana ilay hetra 25% raha ny fanazavana. Nandritra ny « marché forain du chaudron » ihany koa dia mbola nahazo vahana ny lavanila avy eto Madagasikara raha ny fanamafisana ka sarotra ho an’ireo mpambolin’i La Réunion no nifaninana.

Laisser un commentaire