ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Tontosa ny andiany voalohany tamin’ny tournoi mafbe foot à 11

Tontosa tamin’ny alahady ny fifaninana baolina kitra, tournoi foot à 11, andiany voalohany tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, rehefa nihemotra hatrany ny fanatanterahana izany noho ireo antony samihafa niseho. Nandray anjara tamin’izany ireo ekipa avy amin’ny kaominina manodidina, araka ny voalaza.

“Rehefa ny nihemotra foana ny fotoana tokony nanatanterahana ny tournoi mafbe teto an-toerana dia tanteraka hatramin’ny farany ihany izy ny alahady teo. Vola mitentina 1 000 000ariary no azon’ny mpandresy tao anatin’izany, izay ny ekipan’ny TFC Mananjara Ambatomahohina, avy any Anjozorobe raha to aka azon’ny Biscan fc Ambohitanety Alasroa ny laharana faharoa” hoy ireo tomponandraikitra, mpikarakara ny lalao.

“Nahafinaritra ny lalao baolina niseho teto an-kianja androany. Tena niady ny lalao ary ireo mpilalao koa efa tena mahay sy za-dalao daholo. Misaotra ny mpikarakara ary enganie hisy foana ny fifaninana tahaka izao, hanomezana lanja ny baolina kitra” hoy I Toky, mpankafy ny taranja baolina kitra.

Anisan’ny fifaninana lalao baolina kitra niavaka ity tournoi mafbe ity raha ny voalaza, ary ho avy tsy ho ela ny andiany faharoa amin’izany. Mitohy kosa ireo fifaninana lalao baolina kitra tahaka ny mazatra ao an-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire