ActualitésTatitra

Etats-Unis : Efa niahiahy ilay sekoly nisehoana trangam-pitifirana tao Newport News fa nitondra basy ilay zaza 6 taona

Zaza 6 taona no nitifitra basy ny mpampianatra azy tao amin’ny sekoly Richneck Elementary School, ao Newport News, Virginie ny volana janoary teo. Raha ny fanazavan’ny manam-pahefana tao an-toerana dia efa noahiahian’ny sekoly nitondra basy io zaza io ary efa nanao ny fisavana ny kitapony mihitsy ireo tompon’andraikitra saingy tsy nahita na inona na inona tao anatin’izany.

Marihana fa nandritra ny fivoriana an-jotra nataon’ny tompon’andraikitry ny sekoly sy ny lehiben’ny « autorités scolaires », George Parker vao nolazaina izany teboka izany hoy ny mpitondra tenin’ny « autorités scolaires », Michelle Price. Tsy fantatra mazava kosa izay nahatonga ny ahiahy na izay nampandre ny sekoly manoloana ny basy nentin’io zaza io raha ny fanamafisan’ny mpitondra tenin’ny manam-pahefana, Kelly King.

Laisser un commentaire