Ambohimangakely: Nisy ny lanonana nokarakarain’ny FIMPIMA sampana MPIAVA
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny lanonana izay nokarakarain’ny Fimpina, sampana Mpiava (Mpikabary Iarivo Avaradrano) tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Anisan’ny tanteraka nandritra izany ny fianianana nataon’ny filoha vaovao, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teo amin’ny mpikambana ary ny famindrana fanilo teo amin’ny mpianatra kabary, araka ny voalaza.
“Hafaliana ho an’ny kaominina ny fandraisana ny lanonana tahaka izao eto an-toerana. Ny vinan’ny kaominina dia tafiditra ao anatin’izao lanonan’ny mpiava izao izay hitondra fiovana amin’ny tanàna ary ny kabary dia anisan’ny fitaizana enti-manova ka misokatra tanteraka amin’izany ny kaominina” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Maro amin’izao fotoana izao ny tanora no liana amin’ny fianarana kabary. Ny kaominina ihany koa dia mampianatra ary manome sehatra ny kabary malagasy. Hisaorana ny fikambanana amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo hatrany hanomezana lanja izany” hoy ireo mpampianatra kabary.
Anisan’ny vakoka mirakitra fampianarana sy fanabeazana ary fialam-boly ny kabary. Mirakitra ny soatoavina malagasy ny kabary ka tokony ho velomi-maso hatrany, indrindra atao fitaovana enti-mampianatra ny taranaka malagasy.
Manitra R.
