ActualitésTatitra

Mayotte : Niakatra ny tahan’ny fanafihana nitam-piadiana tao an-toerana ny taona lasa teo

Mirakitra ny trangana fandikan-dalàna voarakitry ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria ny « bulletin » faha-54 navoakan’ny InterStats. Ahitana ny angon-drakitra avy amin’ny fanadihadian’ny CVS (Cadre de vie et sécurité) ihany koa izany. Voarakitra ao amin’io tatitra io fa niakatra ny tahan’ny vono olona, vono olona nitam-piadiana, herisetra ara-nofo ary fisolokiana tao amin’ny firenena ny taona lasa teo.

Marihana fa samihafa amin’ny kajy nataon’ny Outre Mer io navoakan’ny InterStats io.Raha ny voalazan’izy ireo mantsy dia 0,05 ny tranga famonoana olona isaky ny mponina 1 000 ao Mayotte raha 0,01 izany ao France. Raha ny fanazavan’ny InterStats  kosa nefa dia niakatra 10% izany tranga izany teo analenelan’ny 2021 sy 2022 ka olona 5 ao anatin’ny 1000 no tratran’ny herisetra ary 2,5 no tratran’izany mitam-piadiana.

Ny halatra fiara sy ny herisetra eo anivon’ny fianakaviana kosa no tena nampiakatra ny taha raha ny tatitra.

Laisser un commentaire