Fahasalamana : Mbola manjaka betsaka eto Madagasikara ny fahabokana.
Dépêche 03 février, 12h, Aretina tsy dia misy miraharaha loatra ny aretin’ny boka. Mbola atao ambanin-javatra izy amin’izao fotoana izao kanefa eto Madagasikara dia mbola ahitana betsaka izany aretina izany. Manodidina ny 1 500 isan-taona ny isan’ireo olona boka hita eto Madagasikara. Areti-mifindra ity aretina ity ka noho izany dia ilaina ny mahafantatra ny fisian’izany amin’ny olona iray hahafahana manatsahatra ny fifindrany amin’ny olona hafa. Ny Fondation Raoul Follereau dia manentana ny amin’ny tokony hitiliana faobe izany aretina izany hahafahana mampihena ny isan’ireo izay mety ho voany noho izy ity izay areti-mifindra.
