ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mirongatra ny hala-botry ao an-toerana, tsy mipetra-potsiny ny zandary

Nanjaka ny hala-botry tato ho ato tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, saika nahitana karazana hala-botry niseho tato ho ato izao. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, roa lahy indray no nampiahiahy ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana tao an-toerana ny alin’ny 27 janoary hifoha 28 janoary teo ka nanaovana fanadihadiana.

“Roa lahy samy mipetraka eny amin’ny fasan’ny karana, nitondra tyeau PVC 06M miisa dimy niaraka tamin’ny motsakoa iray sy pince coupante iray no tratran’ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana amin’ny alina. Hita ho tsy mari-pototra izy ireo, antony nanaovana azy ireo famotorana sy natao andrimaso” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

“Rehefa natao famontorana savaranonando izy ireo dia nilaza fa nalainy tamina kamiao nijanona tamin’ny sisin-dalana ireo entana ireo ary saika hoentina hitadiavana mpividy eny amin’ny fasan’ny karana. Mitohy ny fanadihadiana amin’izao raharaha izao ary notanana ato amin’ny birao ny entana nalain’izy ireo miandry izay mety ho tompony” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mipetra-potsiny, araka izany ireo avy amin’ny mpitandro filaminana fa mandray fepetra avy hatrany enti-miady sy ho fiarovana ny mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana, amin’izao fotoana izao. Manentana hatrany kosa izy ireo amin’ny fiaraha-miasa, indrindra amin’ny fanomezana loharanom-baovao raha misy tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire