ActualitésTatitra

France : Raim-pianakaviana iray nanolana sy naka horonantsary ny zanany vavy 9 taona

Adresy IP iray naka sary sy horonantsary « pédopornographique » an-jotra no tratran’ny zandary manam-pahaizana manokana « cybercriminalité ». Efa maherin’ny 16 000 isa ny rakitra (fichiers) nalain’io adresy io tamin’ny tranokala raha ny fanazavan’ny manam-pahefana.

Fantatra tamin’ny io adresy IP io fa lehilahy 40 taona monina ao Saint-Juéry, ao Tarn no naka ireo sary sy horonantsary ireo. Nosamborina avy hatrany ny tenany ary nisy ny fisafoana natao tao an-tranony. Tratran’ireo mpanao fanadihadiana tao anaty solosainany nandritra izany ny horonantsariny nanolana ny zanany vavy 9 taona.

Niampangana nanolana zaza tsy ampy taona latsaky ny 15 taona, fitehirizana sary « pédopornographique »ary herisietra ara-nofo io raim-pianakaviana io ka notanana am-ponja vonjimaika.

Laisser un commentaire