ActualitésTsidika

Alasora : Mirongatra ny asa fanendahana anelanelan-trano

Mahazo vahana ny asa ratsy sy ny tsy fandriam-pahalemana eny anivon’ireo fokontany ao anatin’ny kaominina Alasora, amin’izao fotoana izao. Ny misintona ireo finday eny am-pelantanana no tena ataon’ireo mpanao asa ratsy, ary efa nahavoa olona maro tao an-toerana, raha ny voalaza, tahaka ity niseho teny amin’ny fokontany Anganomasina, tamin’ny faran’ny herinandro teo ity.

« Mila mailo amin’izao fotoana izao rehefa eny an-dalana eny fa tena tsy mitsitsy intsony ireo mpanao ratsy. Raha vao varindriana eny an-dalana dia avy ireo mpanao ratsy misintona avy hatrany » hoy i Nosy, mponina ao Alasora.

« Ny tranga tahaka izao no mahatonga ny mponina handray fepetra avy hatrany ho famaizana ireo olon-dratsy, tsy miandry ireo manam-pahefana. Mamely loatra ny tsy fandriam-pahalemana ka mankaleo ny olona » hoy i Tiana, mpivarotra.

Rehefa misy moa ny tranga tahaka izao, tsara hatrany ny mampandre ireo mpitandro ny filaminana ary mitondra ireo olon-dratsy eny amin’ny manam-pahefana. Anjaran’izy ireo no manome sazy famaizana manoloana ny tranga tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire