ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mpianatra 50 isa nahazo fitaovam-pianarana

Mpianatra miisa 50 ao amin’ny kilasy fahadimy tao amin’ny EPP Ankadikely, no nahazo fitaovam-pianarana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ireo fikambanana mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina no nanolotra izany ho an’ireo mpianatra, izay avy amin’ny Rotary Club Ivandry sy ny NAFCO 4 Clubs Interact de Maurice, araka ny voalaza

« Ny avy eto anivon’ny fiadidian’ny kaominina Ankadikely-Ilafy moa dia mikatsaka sy mikaroka mandrakariva ny mahasoa ireo mpianatra madinika eto an-toerana. Hisaorana ihany koa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fihetsika sy ny fitiavana amin’ny fanampiana ireo mpianatra hatrany hatrany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Faly tokoa ny ankizy mahazo fitaovana sy kojakojam-pianarana maro. Anisan’ny manosika sy manohana azy ireo hatrany ny fihetsika tahaka izao amin’ny fanomezana ny tsara eo amin’ny fianarana » hoy i Fanja, mpampianatra.

Kitapo, kahie, penina ary gaoma, ireo no fitaovana nozaraina ireto mpianatra ireto. Faly tokoa ny ankizy ary manantena ny hitohizan’izany hetsika izany ihany koa ireo EPP hafa ao an-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire