Etats-Unis : Zatovo efatra niara maty tao Idaho
Zatovo enina no niray trano manodidina ny « campus » ny oniversiten’i Idaho ao Etats-Unis. Hita voatsatok’antsy tao an-trano ny 4 tamin’izy ireo, Ethan Chapin, 20 taona, Madison, 21 taona, Xana Kernodle, 20 taona ary Kaylee Goncalves, 21 taona. Natory kosa ny roa tamin’izy ireo tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga raha ny fantatra dia i Dylan Mortensen sy Bethany Funke.
Mbola manjavozavo ary mikatso tanteraka io raharaha io amin’izao fotoana. Tsy misy ny olona ahiahiana ary tsy tafiditra ao antin’ireo voarohirohy i Dylan Mortensen sy Bethany Funke na dia tao anatin’ny trano aza tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
Nanazava kosa ny rain’i Kaylee Goncalves fa mety ny zanany no tena lasibatra tao anatin’io famonoana olona io. Fantatra mantsy fa nisy « harceleur » nanaraka azy. Hita nandritra ny fizahana ny razana tokoa fa nisy ratra henjakenjana noho ireo niaram-bono hafa i Kaylee.
