ActualitésTatitra

Comores : Niakatra 58 taonina ny vokatra lavanila haondrana

Nanao fanambarana ny ofisy nasionalin’ny famokarana lavanila ao Comores fa tafiakatra 58 taonina ny vokatra lavanila efa vonona haondrana amin’ity taona 2022 ity raha 42 taonina izany ny taona 2021. Tena mahafapoa izany voakatra izany raha ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny ofisy, Madi Soilihi Djaffar.

Nanamafy ity farany fa anisany nampiakatra ny vokatra ny tosika nomena ireo mpamokatra sy ny fanentanana natomboka ny volana jolay teo izay mbola tsy hifarana raha tsy ny volana martsa 2023. Raha tsiahivina dia tafiditra ao amin’ny tetikasa Pidc (projet intégré de développement de la chaîne des valeurs) io fanentanana io.

Laisser un commentaire