La Réunion : Toerana polisy mpanampy 100 ao Île-de-France no natokana ho an’ny mponin’ny nosy
Mikarakara fandraisana mpiasa ho polisy mpanampy ny polisy nasionaly sy ny LADOM (l’agence de l’Outre-mer pour la mobilité). Toerana ho an’olona 100 no natokana ho an’ny mponin’i La Réunion ao anatin’izany. Efa nanomboka ny 1 desambra teo fisoratana anarana ho amin’io asa io ary tsy hifarana raha tsy ny 9 janoary 2023.
Anjara asa andrasana amin’ireo polisy mpanampy ny fandraisana anjara amin’ny hetsika fisorohana sy famoretana; ny fanamelohana ny fandikan-dalàna ; ny fikaroahana sy ny fandraisana anjara amin’ny fisamborana ireo olon-dratsy ; ny fiantoahana ny fanarahana ny lalàna ary ny fiantohana ny fiarovana ny olona sy ny fananana.
