ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Vondron’olona miisa 54 haparitaka amin’ny faritra harovana  

   

Noho ireo fahasimbana indrindra fa ireo fahamaizana izay niseho teo amin’ireo faritra harovana maro tao anatin’ny fotoana naharitra izay dia nisy ny tetik’asa izay natao hiarovana indray ireny faritra ireny. « Fitantanana Maharitra Holovain-jafy », izany no tetik’asa vaovao entina hiarovana indray ny fananana iombonana sy ireo zavatra izay mampiavaka an’ny Madagasikara.

«Tohanan’ny firenena Mikambana ity tetik’asa ity mba hamerenana indray ireo faritra arovana izay simba sy mba hiarovana ireo izay mbola tsy simba. Izany no natao mba hampandraisana andraikitra ireo mponina any ifotony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny tanjona ny fiarovana ny biby sy ny zava-maniry ary ny toeram-ponenany fa zava-dehibe ihany koa anefa ny fitadiavana vahaolana maharitra mahakasika izany rehetra izany, izay tanjona iray anatin’ny tetik’asa ihany koa”, hoy ny avy amin’ny Firenena Britanika, mpanohana ny tetik’asa.

“Vinavinaina hahatratra vondron’olona miisa 54 ny tetik’asa izay haparitaka amin’ny faritra arovana mirefy 356 889ha. Hotolorana fampiofanana izy ireo ary hatao tsapany fa zava-dehibe ny fiarovana izany tontolo izany. Tanjona amin’ity farany ity ny mba handraisan’izy ireo andraikitra ny mahakasika ny toerana hivelomany raha mivelona amin’ny vokatry ny tany izy ireo”, hoy kosa ireo tompon’andraikitry ny Tetik’asa eto Madagasikara.

“Mila fanohanana tokoa izahay aty ifotony satria mitady ho tsy voafehy ireo mbola tsy tapaka hevitra ny hiala amin’ny fanimbana ny tontolo iainana. Tokony hitady vahaolana maharitra mihitsy satria raha miaro izahay dia mety ny ainay no hatahorana”, hoy i Rabenatoandro, Vondron’olona ifotony avy ao Bemanevika.

Haharitra 6 taona ny tetik’asa izay hikarohana vahaolana maharitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra fa ireo faritra arovana isan-karazany. Anjaran’ny tsirairay anefa ny miaro izany na amin’ny fomba ankolaka na mivantana fa tsy tokony hiandry ireo voairaka na ireo vondron’olona ifotony irery ihany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire