ActualitésTatitra

Mayotte : Efa manomana amin’ny firotsahana amin’ny fampiantranona ny « Jeux des ïles » sahady ny nosy

Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa i Madagasikara no hampiantrano ny lalao ny nosy taona 2023 manomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 15 septambra. Nanam-pikasana nampiantrano io fifaninana io ihany koa nefa i Mayotte izay efa mihomana sahady amin’ny firotsahana amin’ny fampiantranona ny lalao amin’ny taona 2027.

Manoloany dia efa nivory tao Combani ny Cros tao Mayotte (comité régional olympique et sportif) izay miara-miasa amin’ny « comités sportifs en conseil d’administration élargi » sy orinasa samihafa. Efa eo am-pamolavolana antontan-taratasy sahady izy ireo ary nilaza i Madeleine Delapierre, lehiben’ny Drajes (délégation régionale académique à la jeunesse, à l’engagement et aux sports) fa ankatoavin’ny fitondram-panjakana io firotsahana io.

Laisser un commentaire