Sabotsy Namehana : Nisehoana lozam-pifamoivoizana
Fiara kely tsotra iray sy fiara-fitateram-bahoaka zotra H no nifandona tao Soavinimerina, kaominina Sabotsy Namehana, tamin’ny Alatsinainy lasa teo. Ny fahatapahan’ny hisatra teo amin’ity fiara kely ity no voalaza ho antony nahatonga ny loza.
« Mafy ny fifandonana teo amin’ireto fiara ireto, izay nanaitra ny manodidina tokoa. Hisaorana an’Andriamanitra tsy nisy ny aina nafoy » hoy i Noro, mpivarotra.
« Hanaovana fanetanana ny mpampiasa lalana sy ny mpitondra fiara rehetra mihitsy ny loza tahaka izao. Tsy hananam-piry ny aina ka tokony samy hitandrina avokoa ny tsirairay fa ny loza tsy mampitandrina » hoy i Laza, mponina ao Soavinimerina.
Anisan’ny fanentanana atao matetika ho an’ireo mpitondra fiara sy ny mpampiasa lalana hatrany ny fitandremana. Tsy tokony atao atsirambina ihany koa ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny fiara, indrindra ny eo amin’ny lafin’ny ara-teknika, mba hisorohana ny loza sy ny fahasimbana tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
