Toe-karena: Hatomboka ny 22 novambra izao amin’izay ny taom-piotazana.
Dépêche 21 novembre, 15h30, Noho ny faharatsian’ny teotr’andro ka niteraka tsy fahampian’ny rotsak’orana dia nihemotra hatrany fanombohan’ny taom-piotazana litchis izay tokony efa ny 15 novembra teo izany. Nanao ny fitsidihana teny amin’ny mpamboly ny minisitry ny toe-karena ka hita fa efa tsara ny vokatra ka tsy maintsy ny 22 novambra izao no hatomboka ny fiotazana. Marihina moa fa voafetra ho 1 300ar ny kilaon’ny litchis eny amin’ny mpamboly. Ity sehatra ity izay ilaina fanatsarana hatrany mba hahafahan’ny tantsaha miaina amin’ny alalan’ny fambolena izany.
