ActualitésTsidika

Jirama : Hametraka milina handrafitra ny solika lany eny amin’ny tobim-pamokarana herinaratra

Arahi-maso ka horaisina an-tsoratra amin’ny alalan’ny milina ny fandaniana solika eny anivon’ny tobim-pamokarana herinaratra rehetra manerana ny Nosy. Nametrahana milina afaka manao izany asa izany iero toby rehetra. Ny tanjona amin’izany dia ny mba ahafahana manara-maso ny fandaniana sy mba hialana amin’ny fangalarana solika hataon’ireo olon-dratsy sasany.Toby vitsivtsy ihany hatreto no efa ahitan izany fa ho fenoina izany avokoa ireo toby rehetra manerana ny nosy.

« Mbola vitsy ireo toby misitraka izany milina izany. Zava-dehibe amin’ny asa rehetra izany ka ho atao laharam-pahamehana, ary hahazo izany avokoa ny faritra rehetra. Ahafahana manara-maso ny fandaniana rehetra avy aty amin’ny birao aty Antananarivo ity fomba fiasa iray ity ka tokony tsy hatahorana ny halatra solika », hoy ny avy ao amin’ny Orinasa Jirama.

Mbola olana ho an’ny orinasa Jirama hatrany ity halatra solika ity ka ho asiana izany avokoa ny toeraan rehetra. « Hametrahana ity milina ity ny toby mpamokatra herinaratra ao Antsohihy, Ihosy ary Mananjary, hahafahana manara-maso ireny toerana ireny na dia tsy midina ifotony aza », hoy hatrany ny fanazavana.

Mbola olana mitana ny laharana voalohany hatrany ity halatra solika ity amin’izao fotoana izao eo anivoan’ny oriansa Jirama. Farany teo dia nisy tamin’ireo mpiasa no notanana am-ponja vonjimaika noho ity raharaha ity. Nisy olona miisa 9 kosa araha-maso akaiky, ireo olona ireo izay voarohirohy nanodina solika 1 900 000 litatra tao amin’ity orinasam-panjakana ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire