ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Nitondra takaitra nohon’ny voina nahazo azy i Salman Rushdie

Mpanoratra britanika i Salman Rushdie. Niharan’ny herisetra tao Etats-Unis izy ny volana aogositra teo ary mitondra takaitra goavana noho izany. Raha ny tatitrin’ny « agent »-ny dia voatsatoka antsy in-15 teo i Salman Rushdie indrindra teo amin’ny tendany sy ny kibony. Nentina tamin’ny angidimby teny amin’ny hopitaly haingana io mpanoratra io. Avotra soa aman-tsara izy saingy jamba ny masony ilany ary tsy afaka mihetsika intsony ny tanany ilany.

Raha tsiahivina dia nanao valan-dresaka tao avaratr’i New York i Salman Rushdie no niseho ny loza. Niakatra tampoka teo amin’ny sehatra ny lehilahy iray ary nanomboka nanatsatoka antsy azy. Fantatra kosa fa lehilahy 24 taona antsoina hoe Hadi Matar, teratany Libanais no nahavanona ny loza. Efa voasambotra moa io lehilahy io ary nisokatra tamin’ny tapaky ny volana aogositra teo tao amin’ny fitsarana tao Mayville, New York ny fitsarana azy.

Laisser un commentaire